Kintana


"Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany."
Salamo 19:1
Mba tazanao ve irony kintana an-danitra avo irony ? Andriamanitra no nahary azy, ary Azy ireny. Fantany ny isan'ireny kintana ireny ary omeny anarana avokoa izy rehetra satria lehibe Izy ary tsy misy fetra ny fahalalàny.
Indray alina izay, rehefa nasain'Andriamanitra hivoaka ny trano lainy Abrahama mba hijery ny lanitra ary hanaovany teny fampanantenana dia hoy Izy taminy:
"Jereo ny lanitra ary isao ny kintana raha voaisanao. Ho tahaka izany ny isan'ny taranakao."
Ary hoy koa Izy taminy: "Ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra."
Nantsoina hoe "rain'ny finoana Abrahama" satria nino sy nankato an'Andriamanitra izy tamin'ny fiainany. Tahaka ny isan'reny kintana ireny koa ny isan'izay rehetra nino ny Tenin'Andriamanitra nanomboka tamin'i Abrahama ka hatramin'izao. Nanomanan'Andriamanitra toerana any an-danitra izy ireo mba hiara-monina aminy.
Matoa misy kintana maro tahaka izany ny lanitr'Andriamanitra, dia misy iray izay kanto noho izy rehetra. Kintana hita avy eny atsinanana izy io, izay nialoha ny magy mandra-pijanony teo ambonin'ny toerana nahaterahan'i Jesosy zaza.
Teraka Ilay Andriamanitra Mpamonjy. Fifaliana lehibe no tany an-danitra. Tonga teto amin'izao tontolo izao Jesosy Kristy, Zanak'Andriamanitra mba hamonjy izay rehetra mino azy ho afaka amin'ny fahotana ary hanokatra ho azy ireo ny varavaran'ny lanitra. Tanteraka ilay teny fampanantenana nataon'Andriamanitra. Izy no ilay làlana mitondra mankany amin'ny Rain'ny fahazavàna. Izy no fahamarinana ary fiainana. Te-hino izany ve ianao izao anio izao ka ho tonga zanaky ny mazava koa?
Jesosy koa no kintana mamirapiratra fitarika andro ho an'izay mino miandry Azy. Izy ilay kintana farany indrindra tavela manambara ny fihavian'ny andro.
Eny tokoa, ho avy tsy ho ela Jesosy haka ireo izay Azy mba ho entiny ao amin'ny fahazavan'ny tranon'ny Rainy, mandrakizay . any an-danitra avo any.
Manomboka izao, isaky ny mijery ny kintana eny an-danitra ianao dia tsarovy Andriamanitra Ilay nahary azy ireny. Tsarovy Andriamanitra izay nanome an'i Jesosy Kristy Zanany mba hamonjy ny mpanota ary mba hameno ny tranony ao an-danitra.
Misaora an'Andriamanitra amin'ny fonao rehetra noho izany asany mahafinaritra izany!