Select your language
Afrikaans
Arabic
Basque
Bulgarian
Catalan
Chichewa
Chinese
Croatian
Czech
Danish
Dutch
English
Farsi
Fijian
Filipino
French
German
Greek
Hebrew
Italian
Japanese
Kinyarwanda
Kisongie
Korean
Lingala
Malagasy
Norwegian
Nuer (Sudan/South-Sudan)
Oromo
Polish
Portuguese
Romanian
Russian
Slovak
Somali
Spanish
Swahili
Swedish
Tshiluba (DR Congo)
Turkish
Welsh

Davida sy Goliata

Vakio I Samoela 17

Fotoanan'ny ady tamin'izay ka indreo mifanatrika ny tafika roa tonta, ary sahirana tokoa Israely. Indro lehilahy goavana iray no niakatra avy ao amin'ny laharan'ny Filistina mba hiantsy ady amin'ny Israely ary mitady izay sahy hifanandrina aminy.

Izay mandresy amin'ity ady ity no ho tompo ary izay resy kosa ho lasa andevo.

Torakovitra avokoa ny lehilahy rehetra tamin'ny Israely nanoloana izany loza nananontanona izany ka tsy nisy sahy nihetsika. Fa Davida kosa, ilay tovolahy mpiandry ondry, dia vonona ny hiady amin'ilay lehilahy nanao tsinontsinona an'Andriamanitra.

"fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery"

I Korintiana 1:27

Nihevitra ny faharesena sahady ny rehetra, ary satria tsy nisy na dia iray aza sahy handeha hanatona hiady dia neken'i Saoly mpanjaka ny handefa an'i Davida.

Nahatoky an'Andriamanitra anefa Davida. Efa nahavita namono liona sy bera izy noho ny fanampian'Andriamanitra mba hiarovany ny andian'ondriny.

Ity indray mitoraka ity indray dia fahavalo iray no miantsy ady ny tafiky ny olon'Andriamanitra ka tokony ho fantatr'ireo Filistina ireo fa Andriamanitra dia mahery lavitra noho i Goliata sy izay andriamani-tsy izy rehetra niozonany.

Nomen'i Saoly ho an'i Davida ny ankanjo fiadiany kanefa navesatra loatra ho azy izany ka tsy nanaovany.  Fa noraisiny kosa ny antsamotadiny ka lasa izy nankany amin'ny lohasaha iray misy riaka mba hifidy vato kilonjy dimy ary nataony tao anaty kitapo fitondrany miandry ondry izany vato izany. Rehefa izany dia lasa izy nihazakazaka ho any an-tany fiadiana.

"fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra"

IIKorintiana 10:4

Nahatoky ny heriny Goliata ka nandroso tsy tamim-piheverana ity mpifanandrina aminy mbola tanora. Davida koa anefa nahatoky tokoa. Tsy mba adin'i Goliata sy Davida mantsy ity ady ity, fa adin'i Goliata sy Andriamanitry ny miaramila. Manatanteraka fotsiny ny sitrapon'Andriamaniny Davida.

"Andriamanitra no hiady ho antsika"

Nehamia 4:14

Tony tokoa Davida nandray ny vato tao anaty kitapony, ary nalefany araka izay tratry ny heriny tamin'ny antsamotadiny.

Namakivaky ny rivotra teo imason'Andriamanitra ilay vato ary dia niantefa teny amin'ilay lehilahy goavam-be ka nilentika tany anaty handriny. Lavo Goliata ka maty.

Dia nihazakazaka Davida nanatsoaka ny sabatr'i Goliata tao amin'ny tranony ka notapahiny teo imason'ny rehetra ny lohan'ilay lehilahy goavam-be. Vita hatreo ny aminy ary azo tanteraka ny fandresena. Afaka tamin'ny tahotra sy ny mpampahory azy ny vahoaka ary rifatra nandositra teo an-tany fiadiana ny Filistina.

Ny lesona lehibe indrindra azo tsoahina tamin'ny tantaran'i Davida sy Goliata dia ny fandresen'ny Tompo Jesosy an'i Satana.

Natahotra an'i Goliata ny lehilahin'ny Israely satria izy nanana ny tanjaka sy ny hery hahafaty olona. Afaka kosa ny loza nananontanona rehefa hitan'izy ireo fa notapahin'i Davida tamin'ny fiadiany ihany ny lohan'ilay lehilahy goavam-be.

Tonga olona ny Tompo Jesosy, Ilay Zanak'Andriamanitra, mba ho faty teo amin'ny hazofijaliana hanavotra ny mino rehetra. Niditra tao amin'ny fahafatesana Izy, nefa nitsangana tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo.

"Ny fahafatesana noresena ka levona"

IKorintiana 15:54

Foana ny herin'ny fahafatesana izay nampiasain'i Satana mba hihazonana ny olona ho andevo. Niditra tao amin'ny mandan'i Satana ny Zanak'Andriamanitra ary noravany ny herin'ny fahavalo. Endrey ny hatsaran'izany miaina amin'ny andron'ny fandresen'ny fahasoavan'Andriamanitra izany!